Ramah Interactive

Jeux Video, Applications Web sy Mobile

Mamorona, mamolavola ary miketrika jeux video, applications web ary applications mobile izahay — manomboka amin'ny hevitra voalohany ka hatramin'ny fikirakirana azy isan'andro.

Ny ataonay

Fahaizana manokana

01

Fanamboarana jeux video

Izahay dia mamorona sy miketrika ary mamokatra jeux video amin'ny anaranay, hatramin'ny hevitra voalohany ka hatramin'ny famoahana azy.

02

Fanamboarana applications web

Applications web voalamina araka ny filanao ary azo antoka, natao mba hanaraka ny fitomboan'ny orinasanao, hatramin'ny fanombohana ka mandritra ny fotoana iasany.

03

Fanamboarana applications mobile

Applications mobile, an'ny endrika native sy multiplateforme, natao mba hahomby ary hanome fahafinaretana tsara hoan'ny mpampiasa.

04

Manome torohevitra, manao intégration & maintenance

Torohevitra ara-teknika, fampifanarahana rafitra ary fanampiana tsy tapaka mba hampandehanana tsara ny zava-drehetra.

Iza izahay

Ny fijerinay

Eo amin'ny fihaonan'ny kolontsaina roa ny Ramah Interactive: ny hamafin'ny injeniera logiciel sy ny fahaiza-mamorona amin'ny jeux video. Mitondra io fenitra sy fahaiza-mamorona avo lenta io ihany koa izahay amin'ny fanaovana application web/mobile ary tranonkala.

Orinasa

Ramah Interactive SARLU

Ramah Interactive SARLU dia mamorona sy mamolavola ary mamokatra jeux video, application web indrindra ny application mobile, ary manome tolotra ara-informatika toy ny 'programmation', torohevitra ary 'maintenance'. Mivarotra vokatra nomerika mivantana amin'ny mpampiasa ihany koa ny orinasa.

RCS
2026B00475
NIF
4019641735
Adiresin'ny foibe
S III 353 Ambihivy, Soavina, Madagascar

Miresaha

Manana tetikasa ve ianao?

Ambarao aminay — mamaly anao ao anatin'ny indroa andro izahay matetika.

na soraty mailaka mivantana any amin'ny contact@ramahinteractive.com